Photo

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘: 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐍' 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

👉 Nofaranana tamin'ny fomba ofisialy ny talata 29 aprily 2026 teny amin'ny "Cercle Mess" Soanierana ny atrikasa fikaonandohan'ny Tafika Malagasy izay naharitra roa andro.

Tonga namarana izany Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely niaraka tamin'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène.

✅ Maro ny lahadinika noresahina tao anatin'izao atrikasa izao izay nandraisan'ireo kaomisiona anjara mavitrika tamin'ny alalan'ny adihevitra sy ny fitondrana fanatsarana ka nahafahana namoaka ireo fehi-kevitra sy soso-kevitra natolotra an'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy.

ℹ️ Nandritra ny lahateniny no nitondran'ny Minisitra fisaorana ho an'ireo rehetra nanatontosa izao atrikasa izao. Hita hoy izy ny finiavan'ny tsirairay hanatsara sy hanasoa ny Tafika Malagasy. Nisy ihany koa ny toromarika ho an'ireo kaomisiona samihafa amin'ny famitana ny rakitsoratra mirakitra izay fehikevitra tapaka sy ny fampiharana azy ireny. Nambarany fa vonona ny tenany hanatanteraka ireo fanamby ho an'ny Tafika Malagasy mba hahatonga ny Tafika ho matihanina, maoderina, mahaleo tena ary mendrika ho amin'ny fanompoana ny firenena.

Namafisiny ihany koa fa ny tomponandraikitra eo anivon'ny Tafika dia tsy tokony hiraviravy tanana ary mila mitarika sy mitantana tsara ny olom-peheziny. Aoka hoy izy hampiseho ohatra tsara hatrany isika ka hitarika mankany amin'ny fananan'ny vahoaka fanantenana sy fahatokisana mandrakariva. Naverimberiny ihany koa fa tokony ho modely sy fitaratra eo anatrehan'ny vahoaka Malagasy sy ny firenena ny Miaramila amin'ny fihetsika, amin'ny fomba amam-panao sy amin'ny fandraisana andraikitra mandritra ireo asa mifandray amin'ny sivily ("actions civilo-militaires" sy "actions humanitaires").

Anisan'ny dingana mbola hotontosaina aorian'izao atrikasa izao ny fampitana amin'ny vahoaka Malagasy ireo fehin-kevitra avy amin'ny fikaonandohan'ny Tafika any amin'ny fikaonadoham-pirenena. Marihina fa ny 26 janoary 2026 no nosokafana teny amin'ny CCI Ivato ity fikaonandohan'ny Tafika ity.