Nandray ny Masoihovon'ny Répoblika Tchèque vaovao , Andriamatoa TOMAS Ulicny ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ny marainan'ny 15 aprily 2026 tao amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy Ampahibe.
Nivoitra nandritra ny resaka nifanaovan'ny roa tonta ny fomba hanamafisana sy hanitarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy ny Répoblika Tchèque.
Raha tsiahivina dia ny alatsinainy 13 aprily 2026 lasa teo ny tenany no nanolotra ny taratasy manendry azy amin'izao toerany izao tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.