Photo

𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄 𝐍𝐎𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐒𝐀𝐈𝐍'𝐍𝐘 "𝐇𝐎𝐌𝐈" 𝐒𝐘 𝐍𝐘 "𝐀𝐒𝐒𝐎𝐂𝐈𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐆𝐋𝐎𝐁𝐀𝐋 𝐇𝐄𝐀𝐋𝐈𝐍𝐆 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐒"

Notontosaina ny 04 ka hatramin'ny 08 mey 2026 tao amin'ny Hopitaly Miaramila (HOMI) Antsiranana ny fandidiana faobe izay niarahan'ity hopitaly Miaramila ity tamin'ny "Association Global Healing Hands" notarihin'ny Dokotera Hal Starnes sy ny ekipany ary tamin'ny "Faculté de médecine" Antsiranana. Niara-nientana tamin'izao hetsika izao ny avy ao amin'ny HOMI Antsiranana🇲🇬 notarihin'ny Kolonely Mpitsabo RAKOTONINDRINA Harisolofo Wilfrid , Médecin-chef.

Ny fandindiana izay natao moa dia "chirurgie de toute pathologie de l'aine" ka ao anatin'izay ny "hernie" sy ny fivontosana any amin'ny taovam-pananahana sy izay manodidina azy. Lehilahy sy vehivavy miisa 48 avy ao amin'ny faritra Diana sy Sava no noraisina an-tanana tao amin'ny Hopitaly Miaramila Antsarinana ka ny 3 dia vehivavy ary ny 45 dia lehilahy. 16 taona ny zandriny indrindra ary 90 taona ny lehibe indrindra tamin'izy ireo. Nisy ihany koa ny fandidiana tenda na "goitre" notontosaina tao amin'ny "Polyclinique Next". 

Izao hetsika izao moa dia tafiditra ao anatin'ny ezaky ny Foloalindahy amin'ny fitsinjovana ny mpiara-belona, na ny "Foloalindahy manakaiky vahoaka".