Photo

𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍-𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 : 𝐍𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀

Nisy ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra niompana tamin'ny lohahevitra hoe : "Concilier la liberté d'informer et les impératifs de sécurité" tao amin'ny Ivotoro Nanisana ny 30 aprily 2026. Izao hetsika izao dia tafiditra amin'ny herinandron'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety 2026.

Nandray anjara tamin'izany famelaberan-kevitra izany ireo solon-tena avy amin'ny Hery fiarovana sy filaminana, nahitana ny Talen'ny "Bureau Communication et des Actions Civilo-Militaires (BCACM)" eo anivon'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Kolonely RAKOTONIRINA Finiavana, ny solo-tena avy amin'ny Zandarmaria sy ny Polisim-pirenena ary ny solo-tena avy amin'ny mpanao gazety sy ny ONDH (Observatoire National des Droits Humains). Tanjona tamin'izao hetsika izao ny hanatsarana ny fifandraisana sy fifaneraserana eo amin' ny asa fanaovan-gazety sy ny asan'ny Hery fiarovana sy filaminana eny an-kianja. Notapahana nandritra ny fihaonana ny hanaovana tomban'ezaka sy hanavaozana ny fifanarahana (protocole d'accord) efa nisy teo amin'ny roa tonta ny taona 2018. Nikarakara izao hetsika izao ny Minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina, ny holafitry ny mpanao gazety ary ny Rantsan'ny firenena mikambana momban'ny Fanabeazana, Siansa ary Kolontsaina (UNESCO).