Notontosaina ny 19 aogositra 2026 ny fanokafana ny fankalazana ny faha-135 taona niforonan'ny “Centre Hospitalier de Soavinandriana” na CENHOSOA, izay hopitaly voalohany teto Madagasikara ary niorina fony mbola nanjaka ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo. Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin'ny Trano fivavahana katolika no nanombohana ny fotoana narahin'ny fitokanana tamin'ny fomba ofisialy ny tsangambato manamarika izao tsingerintaona izao teo amin'ny tany malalaka manoloana ny trano fiangonana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenena nifandimby no nanazavan’ny Tale Jeneralin’ny CENHOSOA, ny Jeneraly RATOVONDRAINY Willy ny dingana rehetra efa nolalovan’ny hopitaly talohan’izao nahatratrarany ny faha-135 taona izao sy ny mampiavaka ity toeram-pitsaboana ity. Nanazava ny hevitra fonosin’ny teny filamatry ny fankalazana ihany koa ny tenany, dia ny “hambopo, fanavaozana sy fahasalamana ho an’ny rehetra”, ary niresaka mahakasika ny fitaovana sy fitsaboana mbola ilana apetraka eo anivon’ny hopitaly, toy ny “imagerie par resonnance magnetique” na IRM .
Ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely kosa dia nanolotra ny firariantsoa ho an'ny mpiara-miasa rehetra eo anivon'ny CENHOSOA amin'izao tsingerintaona izao, ka nambarany fa lova lehibe navelan'ny tantara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana eto amin'ny firenena ity toeram-pitsaboana ity ary tsy nitsahatra nivoatra sy nihatsara izy ity na dia teo aza ny sedra maro nolalovany. Tetsy ankilany dia nanamafy ny Mpanolontsaina Avon'ny Fanavaozana, ny Jeneraly ZAFITASONDRY Marcellin fa anisan’ny nampiavaka sy nahafantarana ity hopitaly ity ny fampivondronana ny fahaiza-manao ara-miaramila sy ny traikefa avo lenta eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Mampihatra sy mampifandray izany sehatra roa izany ity toerana ity, mba hiara-hiasa sy hifameno ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy iray manontolo. Nampiavaka ny CENHOSOA hatramin’izay ihany koa ny fahaiza-mitsinjo manokana ny maha-olona sy ny fandraisana ireo marary. Ny CENHOSOA rahateo dia tsy nitsahatra ny nanatsara sy nampivoatra hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana tao anatin’izay 135 taona nisiany izay.
Ankoatra izany dia andry iray lehibe amin’ny fiahiana sy ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ireo miaramila, zandary ary ny fianakavian’izy ireo ary ampinga sy andry iankinan’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy ny hopitaly.
Nitohy tamin'ny fitokanana ny tsangambato manamarika izao tsingeritaona izao ny lanonana, narahin'ny fitsidihana ny fampirantiana an-tsary ny tantaran'ny hopitaly, izay mbola azon’ny rehetra hotsidihina mandritra ny heritaona haharetan’ny fankalazana. Nanotrona sy nanome voninahitra izao fotoana izao ihany koa ireo Mpanolontsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry sy ny Kolonely ANDRIAMIHARISOA Gervais, Minisitra maromaro mpikambana eo anivon'ny Governemanta, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ireo Etamzaoro isan-toko ary ireo mpiara-miombon’antoka Malagasy sy vahiny izay miara-miasa amin’ny CENHOSOA.