Photo

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐋𝐀𝐓𝐑'𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 : 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐅𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐀𝐈𝐊𝐀𝐃𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety momba ny raharaha halatr'olona ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana, notarihin'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely sy ny Ministra Delege misahana ny Zandarmaria, ny Jeneraly BAMA Marima, niaraka tamin'ny Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa ERNAIVO Fanirisoa, ary ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Andriamatoa GASCAR Fenosoa, ny 22 jolay 2026, tao amin'ny Centre Opérationnel National Tsaralalàna. Nanatrika izany ihany koa ny Tale Jeneralin'ny Polisim-pirenena sy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika.

 

Nandritra izany no nanambaran'izy ireo tamin'ny vahoaka Malagasy ny fepetra efa noraisin'ny Fanjakana sy ny paikady hamafisina manoloana ny firongatry ny trangana halatr'olona eto Madagasikara.

 

Araka ny fanazavana nomen'izy ireo dia 175 tamin'ireo olona 200 nokarohina no efa tafaverina soa aman-tsara eo anivon'ny fianakaviany. Nanome toky ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta fa hampiasaina avokoa ny fomba sy ny fitaovana rehetra eo am-pelatanan'ny Fanjakana mba handravana tanteraka ireo tambajotran-jiolahy sy olon-dratsy tompon'andraikitra amin'izany heloka bevava izany.

 

Nohamafisin'izy ireo fa mitaky fiaraha-mientan'ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana. Ho fanamafisana izany dia hatsangana manomboka izao ny Andrimasom-pokonolona, izay isan'ny paikady vaovao entina hanamafisana ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka.

Marihina fa hatao andro fisaonana ny zoma 24 jolay hanamarihina ny fiaraha-miory manerana ny nosy amin'ny fianakavian'ireo namoy havana.