Photo

𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐈𝐅𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐓𝐒𝐎 : 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐁𝐀𝐑𝐘 𝐌𝐈𝐅𝐀𝐍𝐃𝐈𝐌𝐁𝐘

Notsahivina ny 19 jolay 2026 teny amin'ny sahan'Ampitifirana, Ankatso ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo notifirina noho ny fitarihina ny tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948.

78 taona ny nitifirana ireo Mahery fo niady ho fahafahan'i Madagasikara teo ambany vahoan'ireo mpanjanaka dia ny Lietnà RANDRIAMAROMANANA Albert, RAKOTONDRABE Samuel, RATSIZAFY Samüel, LEZOMA ary BEKAMISY. Nanamarika ny hetsi-pahatsiarovana ny fandefasana ny horonantsary mirakitra ny tantaran'ireo mpitari-tolona mba hampahafantarana sy hampitana ny tantara nisy tamin'izany, ny fametrahana ny afo-pahatsiarovana notontosain'ireo fianakavian'ireo mahery fo narahin'ny fametrahana fehezam-boninkazo, firedonana ny hira fanevan'ny Mpiady Tia Tanindrazana sy famakiana tononkalo nataon'ireo Taniketsa Fanilon'ny Mpiady Tia Tanindrazana. Nanome voninahitra izao lanonam-pahatsiarovana izao ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, ny Filohan'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàm-panorenena, ireo Minisitra mpikambana eo anivon'ny Governemanta, ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eto amin'ny firenena, ary ireo akanga sisa nanamborana amin'ireo mpiady tia tanindrazana.

Nandritra ny lahateny nataony dia nanaitra ny ambom-pom-pirenen' ny Malagasy ny Praiminisitra ka nametra-panontaniana hoe mbola misy Malagasy sahy ho faty ho an'ny fitiavan-tanindrazana vé ankehitriny. Nampiany fa Mahery fon'ny firenena ny Filoha ankehitriny satria sahy nijoro nanohitra ny jadona, ary niantso ny rehetra hanohana ity farany mba ho fanavaozana tokoa an'i Madagasikara ny tenay.

Nanamafy tamin'ny kabariny ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely fa mendrika hotsaroana tokoa izao fotoana izao satria maneho ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahafoizan-tenan'ireo Mahery fo izay nandray anjara lehibe tamin'ny nahazoan'i Madagasikara ny fahafahany. Adidin-tsika ankehitriny hoy izy ny manohy ny fitiavan-tanindrazana nasehon'izy ireo, tsy amin'ny lanonana ihany fa amin'ny fihetsika an-davanandro. Nandray anjara tamin'izao hetsi-pahatsiarovana izao ireo andiany faha 17 avy ao amin'ny CEDS na ny "Centre d'Etude Diplomatique et Stratégique" eny Androhibe Antananarivo mitondra ny anarana Lietnà Randriamaromanana Albert sy ny andiany faha 19 mitondra ny anarana RAKOTONDRABE Samuel ary ny andiany Lietna RANDRIAMAROMANANA Albert tao amin'ny Sekoly Miaramilam-pirenena ao Beravina Fianarantsoa. Nifarana tamin'ny fitsidihana ireo tranoheva nampirantiana ireo sary sy fitaovana mifandraika tamin'ny tantaran'ireo Mpitari-tolona Tia Tanindrazana ny fotoana ka nametrahan'Andriamatoa Praiminisitra hafatra tao amin'ny boky volamena ho fahatsiarovana izao tsingeritaona manan-tantara izao