Photo

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐅𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐎𝐑𝐎

Nanatrika ny fankalazana ny faha-51 taonan’ny fahaleovantenan’i Kaomoro ny 6 jolay 2026 tany Moroni ny Minisitry ny Foloalindahy Malagasy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, izay nasaina ho vahiny manokana.

Ankoatra ny matso lehibe izay natrehany niaraka tamin'ireo vahiny mana-kaja hafa dia nisy ihany koa ny fihaonany tamin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fiarovan'i Kaomoro. Nisy araka izany ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasa ara-tafika efa misy eo amin’ny firenena roa tonta.

Anisan’ireo laharam-pahamehana noresahina ny fanitarana ny sehatry ny fiofanana ara-miaramila. Ankoatra ny fanofanana ireo manamboninahitra izay efa tanterahina ao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe na ACMIL, dia naneho ny faniriany ihany koa ny Tafika kaomorianina mba hanitarana izany ho an’ireo manamboninahitra lefitra sy ny miaramila an-daharana.