Nosokafana ny marainan'ny 15 jolay 2026 ny atrikasa nasionaly ho an'ny fitantanana sy ny fandriam-pahalemanana an-dranomasina eto Madagasikara na ny "atelier national sur la gouvernance et la sécurité maritime à Madagascar" izay natao tao amin'ny Centre de Fusion d'Informations Maritimes -CIFM, Ankaditoho Tsimbazaza. Haharitra telo andro ity atrikasa ity izay andraisan'ireo teknisiana sy manam-pahaizana amin'izany sehatra izany anjara ka entina hamolavolana fehi-kevitra mivaingana azo ampiharina avy hatrany ary mifanaraka amin'ny fiaraha-monina malagasy mba hisian'ny drafi-pirenena matanjaka ho an'ny fiarovana ny ranomasina sy izay mifandray aminy.
Nisy ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasan'ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany sy solo-tenan'ireo mpiara-miombon'antoka nandritra izao lanonam-panokafana izao. Namafisan'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely fa fanoitra lehibe ny fampitambaran-kery ary ny Foloalindahy malagasy dia vonona ary mandray ny andraikiny amin'ny fiarovana ny sisi-tany. Notsipihiny anefa fa ny fiarovana ny ranomasina sy ny fampiharana ny andraikim-panjakana eny an-dranomasina dia tsy adidin'ny miaramila irery ihany fa andraikitra iombonana. Ny Minisiteran'ny Foloalindahy dia mijoro hatrany ho andrin'izany fiaraha-miasa izany, manome ny fahaiza-manaony sy ny fitaovana misy eo am-pelatanany mba hahafahan'ny rantsamangaika rehetra manatanteraka ny asa amim-pahamendrehana eny an-dranomasina sy ny manodidina izany. Notsahivin'Andriamatoa Minisitra ihany koa ny hevitra nivoitra tamin'ny fihaonamben'ny Tafika dia ny tokony hanovàna ny fomba fiasa sy paikady ary ny fampiasana ny teknolojia vaovao mba hiatrehana ireo ambana eny an-dranomasina.
Nanokatra izao atrikasa izao Atoa Praiminisitra Lehiben'ny Governamanta, RAJAONARISON Mamitiana notronon'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ireo solotena avy amin'ny mpiara-miombon'antoka avy any ivelany isan-tokony toy ny Vondrona Eropeana sy ny Vaomieran’’ny Ranomasimbe Indianina ary ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron'ireo Tafika ary ny Etamazaoro telo toko, indrindra ny Etamazaoron'ny Tafika an-dranomasina.