Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Centre Hospitalier de Soavinandriana (CENHOSOA), ny 14 aogositra 2026, mahakasika ny fankalazana ny faha-135 taona nijoroan’ity toeram-pitsaboana ity.
Hankalazaina amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany tsingerin-taona miavaka izany. Anisan’izany ny hetsika ara-pahasalamana sy ara-tsosialy, toy ny fidinana ifotony any amin’ireo toerana lavitra mila tohana ara-pahasalamana. Hisy ihany koa ny varavarana misokatra, izay hanome fahafahana ny vahoaka hahafantatra bebe kokoa ireo tolotra ara-pahasalamana sy ireo sampan-draharaha misy eo anivon’ny CENHOSOA.
Ankoatra ireo hetsika ireo, dia hisy ihany koa ny fanatsarana sy fananganana fotodrafitrasa maro. Tafiditra amin’izany ny fanatsarana sy fampitaovana ny Service de rééducation fonctionnelle sy ny service de gériatrie na ny toerana fikarakarana sy fandrasaina an-tanana ireo be antitra, ny fanavaozana ny toerana fipetrahan’ny angidimby (héliport), ary ny fanatsarana ireo sampan-draharaha hafa eo anivon’ny hopitaly.
Kasaina ihany koa ny hananganana toerana handraisana ireo marary avy any amin’ny faritra lavitra tonga hitsabo tena, ary koa toerana natokana ho an’ireo vehivavy mampinono miasa na mandalo ao an-toerana. Ho fanatsarana ny fahasalaman’ireo mpiasa ihany koa dia hisy ny fananganana toerana fanaovana fanatanjahantena.
Haharitra herintaona ny fankalazana ny faha-135 taonan’ny CENHOSOA, izay hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny Alarobia 19 aogositra 2026 ary hifarana ny 13 aogositra 2027.
Ho santarina amin'ny fotoam-pivavahana sy ny fitokanana ny tsangambato manamarika ny faha-135 taona izany fanombohana ofisialy izany. Hanaraka izany ny fampirantiana momba ny tantaran’ny CENHOSOA, izay hanehoana ireo dingana lehibe nodiavin’ity toeram-pitsaboana ity nandritra izay 135 taona izay, ary koa ireo fotodrafitrasa sy tetikasa kasaina hotanterahina mandritra izao vanim-pankalazana izao.
Amin’ny alalan’ireo hetsika sy tetikasa ireo dia kendrena ny hanamafisana hatrany ny anjara toeran’ny CENHOSOA eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, sady hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omena ny marary sy ny mpampiasa azy.