Photo

𝟏𝟑 𝐀𝐎𝐆𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟏𝟖𝟗𝟏- 𝟏𝟑 𝐀𝐎𝐆𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐅𝐄𝐍𝐎 𝟏𝟑𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐂𝐄𝐍𝐓𝐑𝐄 𝐇𝐎𝐒𝐏𝐈𝐓𝐀𝐋𝐈𝐄𝐑 𝐃𝐄 𝐒𝐎𝐀𝐕𝐈𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐂𝐄𝐍𝐇𝐎𝐒𝐎𝐀

Mankalaza ny faha 135 taona nijoroany ny Centre Hospitalier de Soavinandriana na ny CENHOSOA, ny alakamisy 13 aogositra 2026. 

Nisy ny hetsika samihafa nanamarihan’ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ity hopitaly ity izao tsingerintaona manan-danja izao. Ho an’ny tapany voalohany, dia natomboka tamin’ny fananganan-tsaina iombonana ny fotoana, narahin’ny fanehoana ireo mpiasam-panjakana niakatra laharam-boninahitra sy ireo mpiasa vaovao voatendry hiasa eo anivon’ny CENHOSOA.

Nandritra izany no niarahaban’ny Tale Jeneralin’ny CENHOSOA, Profesora Jeneraly RATOVONDRAINY Willy, ireo mpiara-miasa rehetra noho izao tsingerintaona faha-135 taonan’ny hopitaly izao. Nanome hafatra sy toromarika ihany koa izy, indrindra ny amin’ny fitazonana ireo ezaka tsara efa natomboka sy ny fanamafisana izany, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana ireo marary eo anivon'ity hopitaly ity.

Nanamarika ny fanamarihana izany tsingerin-taona izany koa ny fanaovana "Zumba" teo amin'ny tany malalakin'ny hopitaly. Nofaranana tamin’ny fanapahana sy fizarana mofomamy ny fankalazana ho an'ny tapany maraina. 

Ho an'ny tapak'andro hariva dia nisy ny diabe niarahan'ireo mpiasa rehetra miaraka amin'ny jiro fanazavana miampita, natao tao amin'ny faritry ny hopitaly. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo izany, ho fanamafisana ny firaisan-kina eo amin’ireo mpiasa. 

Marihina fa ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-135 taonan’ny CENHOSOA dia hotanterahina ny Alarobia 19 aogositra 2026, amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana. Hanatrika izany lanonana izany ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, miaraka amin’ireo olom-panjakana sy olo-manajaka maro.