Notanterahina ny alarobia 29 jolay 2026 tolakandro teny amin’ny Cercle Mess Betongolo ny lanonana fanaovam-beloma ny Kolonely Sébastien BOYER, mpiara-miasa ara-tafika (coopérant militaire) teo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika, rehefa nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, sy ny fandraisana ny mpisolo toerana azy, ny Kolonely Laurent ALBOUY.
Nanome voninahitra ny lanonana sy nanolotra ny medaly sy ny mari-pankasitrahana ho azy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Mamirinirina Ely. Teo ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron'ireo Tafika.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Mazaoro Jeneraly eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika, izay nisolo tena ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly RAFIDIMANANA Teddy Françis, dia nisaotra sy nankasitraka ny Kolonely Sébastien BOYER izy noho ny asa sy ny ezaka vitany nandritra ny fotoana niasany teto Madagasikara. Niarahaba ihany koa ny Kolonely Laurent ALBOUY amin’izao fanendrena azy izao izy.
Azo lazaina fa manana fiaraha-miasa ara-miaramila matotra i Madagasikara sy i Frantsa tamin’ny alalan’ity mpiara-miasa ara-miaramila teo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika teo aloha ity. Maro tokoa araka izany ireo andraikitra nosahaniny fa indrindra ny fampiroboroboana ny fiofanana sy ny fifanakalozana traikefa amin’ny roa tonta tao anatin’izay fotoana niasany teto Madagasikara izay.
Nambaran'ny mpiara-miasa ara-Tafika Frantsay vaovao ihany koa fa nahafinaritra ny fandraisana azy ary isaorany manokana an’Andriamatoa Minisitra sy ny eo anivon'ny Etamazaoron'ireo Tafika izany. Nampanantena izy fa hampiasa ny traikefa sy fahaiza-manaony hanohizana ny fiaraha-miasa efa nahomby ary hitondra ny anjara birikiny ihany koa ao anatin'izany.