Photo

𝐌𝐀𝐒𝐎𝐈𝐕𝐎𝐇𝐎𝐍'𝐈 𝐒𝐈𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐓𝐒𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐀𝐁𝐄𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐈𝐍𝐎𝐀

Nankalazaina ny sabotsy 25 jolay 2026, teo amin'ny Masoivohon'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina eto Madagasikara ny faha-99 taonan'ny fananganana ny Tafika Fanafahana ny Vahoaka Sinoa sy ny faha-90 taonan'ny fahombiazan'ny Tafika Mena tamin'ny Diabe Lavitra.

Nanome voninahitra izao lanonana izao ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely ANDRIAMIHARITSOA Gervais, niaraka tamin'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta ary ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika Malagasy.

Manamarika ny fifandraisana matotra sy ny fiaraha-miasa maharitra misy eo amin'i Sina sy i Madagasikara, indrindra eo amin'ny sehatry ny fiaraha-miasa ara-tafika, izao fankalazana izao. Tsiahivina fa efa maherin'ny 50 taona no nisian'ny fiaraha-miasa akaiky teo amin'ny firenena roa tonta tamin'ny sehatra maro, izay mbola nivoatra sy nitombo hatrany.

Nandritra ny lahateniny dia nitondra ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka sy ny firenena sinoa amin'izao fetim-pirenena izao Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy. Nambarany fa i Sina dia mpiara-miombon'antoka ara-stratejika sy ara-politika ho an'i Madagasikara. Nasongadiny ihany koa fa ny Tafika Fanafahana ny Vahoaka Sinoa dia tafika iray izay, tao anatin'ny efa ho zato taona, dia nahavita nanavao ny fireneny sy nanatsara hatrany ny fahaiza-manaony, ka lasa iray amin'ireo andry iankinan'ny filaminana, tsy ao Sina ihany fa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa, noho ny maha-matihanina sy ny fifehezan-tena ananany.

Nambarany ihany koa fa nihamafy hatrany nandritra ny taona maro ny fiaraha-miasa teo amin'ny Tafika Malagasy sy ny manampahefana sinoa, tao anatin'ny fifampitokisana sy ny fifanajana. Hita taratra izany amin'ny fifanakalozana avo lenta, ny fiofanana, ny fanomezana fitaovana, ny fanampiana ara-teknika ary ireo tetikasa fiaraha-miasa isan-karazany. Ohatra mivaingana amin'izany ny fanomezana toerana fiofanana miisa 73 ho an'ny Tafika Malagasy ho an'ny taom-piofanana 2026–2027, izay nanehoan'Andriamatoa Minisitra fisaorana sy fankasitrahana ny Masoivohon'i Sina.

Nofaranany tamin'ny faniriana mba hihamafy hatrany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny tafika roa tonta, ho tombontsoan'ny firenena sy ny vahoakan'ny firenena roa tonta.

Nambaran' Andriamatoa JI Ping, Masoivohon'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina miasa sy monina eto Madagasikara fa vonona hatrany i Sina hanohy hanampy sy hiara-hiasa amin'ny Tafika Malagasy, ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana tsara misy eo amin'ny firenena roa tonta.

Nanamafy izany ihany koa ny Tompon'andraikitry ny Fiarovana eo anivon'ny Masoivoho Sinoa, izay nilaza fa mifototra amin'ny firalahiana sy ny firaisankina ny fifandraisana misy eo amin'i Sina sy i Madagasikara.

Nandritra ity lanonana ity ihany koa no nanolorana ny "Insigne de l'Amitié" sy ny mari-pankasitrahana ho an'ireo miaramila Malagasy nisitraka fiofanana tany Sina. Nofaranana tamin'ny fampisehoana hira sy sora-dihy nataon'ireo nisitraka fiofanana tany Sina ny lanonana.