Noraisina tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 4 jolay 2026, teny amin'ny toby CAPSAT Soanierana, ireo fiara vaventy sy fitaovana fanamboaran-dalana natolotry ny orinasa sinoa🇨🇳 «Ching Chan» ho an'ny Tafika Malagasy, izay hampiasain'ny Jenia Miaramila.
Nanolotra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara🇲🇬, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin'ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Nanatrika izany ihany koa ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ary ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, notronin'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika Malagasy.
Anisan'ireo fitaovana noraisina nandritra izao lanonana izao ny kamiao «benne 20 m³» miisa enina (6), «compacteur vibrant» miisa telo (3), «tractopelle» miisa telo (3), «tracto-chargeur» miisa telo (3) ary «concasseur» miisa telo (3). Ireo fitaovana ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny orinasa sinoa «Ching Chan», izay efa nanomboka ny volana novambra 2025.
Nandritra ny lahateniny dia nanamarika ny Minisitry ny Foloalindahy fa efa an-taonany maro no nisian'ny fiaraha-miasa matanjaka teo amin'i Madagasikara sy Sina, ary porofon'ny fahamatoran'izany fifandraisana izany izao fanolorana fitaovana avy amin'ity orinasa sinoa ity izao. Ankoatra ny fampiofanana ny miaramila dia mivelatra hatrany amin'ny fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana eo amin'ny sehatry ny fiarovana ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny roa tonta.
Nambarany ihany koa fa iray amin'ireo vina lehibe ijoroan'ny Tafika Malagasy ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka. Hanampy betsaka amin'ny fanatanterahana izany vina izany ireo fitaovana vaovao ireo, satria hanamafy ny fahafahan'ny Jenia Miaramila manatanteraka ny asa fanamboaran-dalana sy fananganana fotodrafitrasa ho tombontsoan'ny vahoaka.
Nomarihiny fa hanampy amin'ny fanamorana ny fivezivezena sy ny famoaham-bokatra, indrindra any amin'ireo faritra saro-dalana sy mbola mitoka-monina, ireo fitaovana ireo. Rehefa mihatsara ny fotodrafitrasa sy mandroso ny fari-piainan'ny mponina dia mihamafy ihany koa ny fandriampahalemana sy ny filaminana.
Nofaranan'ny Minisitry ny Foloalindahy tamin'ny fisaorana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Governemanta ny lahateniny noho ny fanohanana tsy tapaka ny fampitaovana ny Tafika Malagasy. Naneho fankasitrahana manokana ho an'ny orinasa Ching Chan izy, tamin'ny fanomezana fitaovana maoderina tahak'izao, hanampiana ny Jenia Miaramila amin'ny fandraisan'anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena.
Nandritra io fotoana io koa no nanoloran'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny kianja filalaovana baolina kitra misy bozaka «synthetique» ho an'ny Toby CAPSAT Soanierana.
Nisy ihany koa ny fampirantiana ireo fiarabe fanamboaran-dalana avy amin'ny Firenena rosiana.