𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝟓 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔
Miseho amin’ny endrika vaovao indray ny fanakorontanana ataon’ireo fahavalom-pirenena mikendry hanaratsy endrika ny Fanjakana Fanavaozana ankehitriny.
Raha teo aloha dia niseho tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana an-dalambe, fanehoan-kevitra manaratsy eny amin’ny tambazotra sosialy ary fampielezam-baovao amin’ny haino aman-jery izany, dia tsikaritra ankehitriny fa mihatraika mivantana amin’ny olom-pirenena Malagasy sy ny filaminam-bahoaka ny paikady ampiasain’ireo mpamboly korontana.
Araka ny fanangonam-baovao sy ny tranga voamarika tato ho ato, dia misy toe-javatra mampiahiahy toa mikendry ny hametraka tahotra eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy, toy ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tany Toamasina, ny fakana an-keriny sy fandrahonana olona na zaza varira, ary ny fiparitahan’ny vaovao mikasika zaza very tato anatin’ny telo herinandro farany.
Manoloana izany toe-draharaha izany, dia manambara ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny OMC National élargi, fa tsy handefitra velively amin’ireo asa ratsy manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny ain’ny olom-pirenena. Laharam-pahamehana ny fiarovana ny vahoaka Malagasy sy ny fanenjehana ireo olon-dratsy rehetra voarohirohy amin’izany.
Ireto avy ny fepetra raisin’ny Fanjakana :
• Hampitomboina ny isan’ireo mpitandro filaminana eny an-kianja, indrindra mandritra ireo fotoam-panadinam-panjakana, mba hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka Malagasy. Hamafisina fa tsy voafetra amin’ny fiarovana ireo manampahefana ambony na vahiny manan-kaja ihany ny andraikitry ny « forces de l’ordre », fa miompana indrindra amin’ny fiarovana n’y olom-pirenena rehetra.
• Hatao laharam-pahamehana eo anivon’ireo sampan-draharaha mpanao famotorana sy fanadihadiana ireo « dossiers » rehetra mifandray amin’ny asa fanakorontanana, fakana an-keriny, fandrahonana, fanafihana mitam-piadiana, hala-jaza na tranga hafa mampiahiahy.
• Hapetraka ny toromarika mazava ho an’ireo sampan-draharaha eny ifotony mba handray am-panajana, am-pahamatorana ary haingana ireo olona manatona hanao fitorohana na fitoriana mikasika ireo tranga ireo izy ireny.
• Horaisin’ny Fanjakana an-tanana ireo niharam-boina sy ny fianakaviany, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Mponina, indrindra amin’ny fanomezana « soutien psychosocial », torolalana ary fanampiana amin’ny dingana rehetra mifandray amin’ny fitorohana sy fitoriana.
• Ho an’ny eto Antananarivo manokana, izay nahitana tranga maro nohon’ny tany amin’ny Faritra, ny Fitsarana, eo anivon’ny fampanovana, dia handray ireo fitoriana manokana ireo ao amin’ny Porte n°25, eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antananarivo. Ho an’ny any ivelan’Antananarivo kosa, dia misy toromarika manokana omena ny Fitsarana mba handray sy hanaraka akaiky ireo « dossiers » mifandraika amin’izany eny anivon’ny Fampanoavana rehetra manerana an’i Madagasikara.
Napetraka ihany koa ny laharana azon’ny olom-pirenena antsoina raha misy tranga mampiahiahy na vaovao ilaina ampitaina : 147 sy 038 18 851 43.
Manome toky ny olom-pirenena ny Fanjakana Malagasy fa eo anilan’izy ireo mandrakariva, ary tsy handefitra velively amin’izay rehetra mikitika ny ain’ny Malagasy na mampiasa ny tahotry ny vahoaka hoenti-manatratra tombontsoa manokana.
Ny hafatry ny Fanjakana dia mazava : « miasa ny tompon’andraikitra, mandray fepetra ny Fanjakana, ary arovana ny vahoaka Malagasy, aok’izay ny fanakorontanana»