Photo

𝐂𝐄𝐍𝐇𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐋𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘

Natolotry ny Fikambanan'ny Vady Miaramila (FIVAMI), notarihin-dRamatoa Fabienne RAZAFITOMBO tamin'ny fomba ofisialy ny 25 jona 2026 ny asa fanavaozana ny toerana filalaovan'ny ankizy ao amin'ny Sampandraharahan'ny fitsaboana ny ankizy sy ny zaza vao teraka (Service Pédiatrie) eo anivon'ny Centre Hospitalier de Soavinandriana (CENHOSOA). 

Tolo-kevitra sy tetikasa avy amin-dRamatoa Vadin'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy izao asa fanavaozana izao, izay adidy sy andraikitra amin'ny maha-Reny azy sy ireo mpikambana ao amin'ny FIVAMI eo anivon'ny Foloalindahy Malagasy. Ankilany dia nisaotra izao fihetsika nataon'izy ireo izao ny Tale Jeneralin'ny CENHOSOA, ny Jeneraly RATOVONDRAINY Willy, nomarihiny fa manatsara ny kalitaon'ny fandraisana ireo marary izao asa izao amin'ny alalan'ny fanatsarana ny tontolo handraisana ireo ankizy hitsabo tena eo anivon'ity Sampandraharaha ity.