Photo

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐌𝐁𝐈-𝐊𝐀𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐎𝐍𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀

Ny Minisiteran’ny Foloalindahy dia manao izao fampilazana izao : 

Isaorana eram-po eran-tsaina Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara nanao ho laharam-pahamehana ny fandoavana ny elanelana nisy teo amin’ny tambi-karama ho an’ny fisotroan-dronon’ny Miaramila.


Mankasitraka ireo tompon’andraikitra rehetra voakasiky ny famoahana ity tambi-karama ity tamin’ny asa goavana noviatain’izy ireo 


Ny lisitry ny misitraka izany elanelana teo amin’ny tambikarama izany dia hivoaka manomboka ny zoma 19 jona 2026 eo amin’ny CEMES Betongolo.

Ny fizarana ny taratasim-bola kosa dia hanomboka ny 𝐚𝐥𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐢𝐧𝐲 𝟐𝟐 𝐣𝐨𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 eo amin’ny CEMES Betongolo ihany.


Marihina fa ny elanelana nisy teo amin’ny tambi-karama rehetra no ho azon’ireo misitraka izany ary ny rehetra mpisitraka no hahazo izany.


Manasa ireo mpisitraka izany hitodika any amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitaleavana ny fampandehanan-draharaha sy ny ara-bola eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy raha toa ka misy ny fanontaniana na ahiahy na mila fanazavana fanampiny, mialoha, mandritra na aorian’ny fisitrahana ny tambi-karama.