Photo

𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐁𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀, 𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Manatanteraka hetsika ara-pahasalamana ho fitsinjovana ny vahoaka ny Sampan-draharaha-paritry ny Fitsaboana Miaramila (SRSM) ao Antananarivo, Mahajanga ary Fianarantsoa. Miompana amin'ny fanaovana didim-poitra, fizaham-pahasalamana ankapobeny ary fanalana nify maimaim-poana izany hetsika izany.

Tanjona ny hanampy amin'ny fanatsarana ny fahasalaman'ny Mpiray Tanindrazana ary koa hanamaivana ny vesatry ny fandaniana ara-pahasalamana atrehin'izy ireo. Ankoatr'izay dia manatanteraka fanentanana momba ny fisorohana sy fiarovana amin'ny fihanaky ny nendran-drajako (MPOX) ihany koa ireo miaramila mpitsabo, mba hanamafisana ny fahafantaran'ny vahoaka ny fomba hiarovana ny tenany sy ny manodidina azy. Nanomboka ny 7 Jona 2026 ny hetsika ary hitohy hatramin'ny 3 Aogositra 2026, araka ny tetiandro napetraka. 

Araka ny tatitra voaray hatramin'ny 12 jona 2026 dia zazalahy miisa 195 no vita didim-poitra, olona 214 no nisitraka fizaham-pahasalamana ankapobeny ary olona 112 no nanala nify.

Maneho ny finiavan'ny Tafika Malagasy hanakaiky ny vahoaka hatrany izao hetsika izao, amin'ny alalan'ny fanomezana tolotra mivantana sy mahasoa ho an'ny vahoaka.