Photo

𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟏𝟗𝟔𝟎 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐌𝐀𝐓𝐒𝐎 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐁𝐄 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟔𝟔 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐎𝐕𝐀𝐍𝐓𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐉𝐎𝐑𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Notontosaina ny zoma 26 Jona 2026, teny amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, ny matso lehibe nanamarihana ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Manodidina ny 3 800 ireo nandray anjara tamin’ity matso lehibe ity, ka nahitana ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Fadintseranana, ny Fandraharahana ny Fonja, ny Rano sy ny Ala, ny Mpamonjy Voina ary ny Polisy Monisipaly.

Ankoatran'ny matso mandeha an-tongotra dia nisy ihany koa ny matso mandeha tamin'ny fiara isan-karazany sy fiaramanidina ary angidimby.

Nampiavaka ny matso tamin'ity taona ity ny fampisehoana ireo fitaovana vaovao azo avy amin'ny firenena mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara toy ireo fiara lehibe azon'ny Jenia miaramila, ny fiara mifono vy azon'ny « Bataillon Appui feu » eo ihany koa ny fiaramanidina an'ny Tafika Anabakabaka LET 410,izay azo tamin'ny fitondram-panjakana malagasy.

Naseho nandritra ny matso ihany koa ny fanamiana vaovaon’ny Tafika Malagasy, fanomezana avy amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ho fanamafisana ny fanavaozana sy fanatsarana ny endriky ny Tafika Malagasy.

Nampiavaka ny matson'ny 26 jona 2026 ity ihany koa ny fanaovana akanjo maneho ny maha-Malagasy, araka ny toromarika napetraky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ho fanandratana ny kolontsaina malagasy.

Ankoatra ireo tompon’andraiki-panjakana sy olo-manan-kaja eto an-toerana, dia nanatrika ity matso lehibe ity ihany koa ireo Filoham-pirenena sy solontenam-panjakana avy amin’ireo firenena namana sy mpiara-miombon’antoka, izay tonga namaly ny fanasana sy niara-nankalaza tamin’i Madagasikara izao tsingerintaona faha-66 izao.