Nanatanteraka hetsika ara-tsosialy teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (CENHOSOA) ny Fikambanana Fanjiry, tarihin-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny alarobia 24 jona 2026. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy ary ny Volan’ny Ankizy ity hetsika ity.
Fanomezana isan-karazany, toy ny arendrina, kilalao ary panier garni ahitana vary, menaka, ronono, kafe, biscuit sy kojakoja ilaina andavanandro hafa no natolotra tamin’izany. Tanjona tamin’izany ny hampifaly sy hanome hery ireo ankizy manaraka fitsaboana eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Fitsaboana Ankizy (Service Pédiatrique) amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao. Nisitraka ireo fanomezana ihany koa ireo mpiasan’ity sampandraharaha ity.
Nambaran’ny Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Fitsaboana Ankizy, ny Kolonely ANDRIANIRINA Zafitsara Zo, fa tena manan-danja ho an’ireo ankizy marary ny hetsika tahaka izao satria mitondra fifaliana sy fanantenana ho azy ireo mandritra ny fotoana iatrehany ny fitsaboana. Noho izany dia naneho ny fisaorana sy fankasitrahany tamin’ny anaran’ny mpiasan’ny hopitaly sy ireo marary rehetra nisitraka izany fanomezana izany izy. Tsy adinony ihany koa ny nirary soa ny Fikambanana Fanjiry sy Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA amin’ny andraikitra sahaniny amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo mpiray tanindrazana.
Manoloana izany, ny Minisiteran’ny Foloalindahy🇲🇬 dia mirary fahasalamana feno sy fahasitranana haingana ho an’ireo rehetra manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (CENHOSOA), indrindra ireo ankizy, ary mankasitraka ireo ezaka rehetra entina manampy sy mampitsiky azy ireo.