Notontosaina ny alahady 6 septambra 2026 tao amin’ny Kianjan’ny Maki Andohatapenaka, ny lalao famaranana XXL TOP 12, izay nifanandrinan’ny ekipan'ny COSFA sy ny USCAR ary niadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara.
Niady tokoa ny lalao ary hatramin’ny minitra farany ny ekipa roa tonta dia samy nanao ny fomba rehetra ahazoan'izy ireo ny amboara. Nivoaka ho mpandresy tamin'ny isa 26 no 25 ny ekipan'ny COSFA tamin'izany.
Nanome voninahitra ity lalao famaranana ity ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Jeneraly RABEARIMANANA Lucien niaraka tamin'Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina izay nisolo tena an'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy.
Anisan’ny nisongadina nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo Mpitsara avy any Afrika Atsimo, izay tonga eto Madagasikara ao anatin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanankalozana eo amin’ny sehatry ny baolina lavalava aty Afrika.
Nisy ihany koa ny fanolorana ny faneva ho an’ny Kapitenin’ny ekipa roa tonta, ho mariky ny fanajana, ny firaisan-kina ary ny soatoavina iombonan’ny fanatanjahantena.