Photo

𝐀𝐒𝐈𝐄𝐅 𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘

Nifarana tamin'ny fomba ofisialy ny 5 septambra 2026 ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana karakarain'ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires) izay natao tany Manakara. Tamin'ny alalan'ny lanonana fanolorana ny amboara tao Manakara Be no namaranana izany fifaninanana izany. 

Nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa, ary ny Asam-panjakana, Andriamatoa Denis Franconio MAC sy ireo olo-manan-kaja isan-tsokajiny avy aty Antananarivo sy avy any amin'ny Faritra. Raha eo amin'ny filaharana ankapobeny dia mitàna ny laharana voalohany ny Minisiteran'ny Foloalindahy amin'ny isan'ny medaly azo izay mitotaly 79. 

Nanamarika izao andro farany tamin'ny fifaninanana izao ny lalao famaranana teo amin'ny taranja "basket-ball" sy ny baolina kitra, izay nandraisan'ny Minisiteran'ny Foloalindahy anjara tamin'ny tapak'andro maraina.

Nanatrika ny lanonana sy ny lalao natao rehetra tamin'izao andro farany tamin'ny fifaninanana izao ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RANDRIAMANANTENA Raphaël miaraka amin'ireo delegasiona notarihiny izay nanohana hatrany ireo mpandray anjara. Nitarika hatrany ireto atleta ireto ihany koa ny Talen'ny Ofisy Miaramila misahana ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina (OMSC) eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAKOTONDRABARY Eric tamin'ny fiatrehana ireo fifaninanana rehetra ka izao nahazona vokatra tsara izao.