Photo

TORKIA-MADAGASIKARA NITSIDIKA NY MINISITRY NY FOLOALINDAHY NY MASOIVOHON'I TORKIA VAOVAO

Nitsidika tamin’ny fomba ofisaly an’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely tao amin'ny Ministeran'ny Foloalindahy Ampahibe ny Masoivohon'ny Repoblikan'i Torkia vaovao eto Madagasikara, Ramatoa Halime Ebru Demircan sy ny delegasiona notarihiny ny alakamisy 27 aogositra 2026.

Fitsidihana voalohany nataon-dRamatoa Masoivohin’i Torkia tao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy moa izao, raha toa ka ny volana may 2026 izy no nandray ny toerana maha-Masoivoho azy teto Madagasikara🇲🇬.

Niompana tamin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Torkia sy Madagasikara amin’ny lafiny ara-tafika ny fifanakalozana nifanaovan’ny roa tonta, ka voaresaka tamin’izany ny fahatongavan'ny "Agence Spatiale Turque" eto Madagasikara ny 10 sy 11 septambra ho avy izao. Marihina fa efa misy ny fifanarahana ara-tafika na « memorandum d’entente » eo amin’i Torkia🇹🇷 sy Madagasikara ary efa miara-miasa amin’ny lafiny fiofanana ara-miaramila ny firenena roa tonta.