Photo

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀-𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alatsinainy 07 septambra 2026, ny atrikasa andiany fahafito mahakasika ny politikan’ny fitantanana ny maha-olona, izay iarahan’ireo Fitaleavana misahana ny fitantanana ny maha-olona, na ny « Direction des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny avy eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany atrikasa izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina, niaraka tamin’ny Talen’ny Fitantanana ny maha-olona, ny Jeneraly RANDRIANIRINA Mamisoa Olivier, sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika.

Nandritra ny lahatenin, dia nanamafy ny maha-zava-dehibe izao fiaraha-miasa izao ny tenany, nambarany fa tokony samy hahazo tombontsoa amin’ny fifampizarana sy ny fifanakalozana mandritra izany avokoa ireo mpandray anjara. Tanjona, hoy izy, ny hanamafisana hatrany ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny maha-olona.

Naneho fisaorana ihany koa izy ho an’ireo rehetra nandray anjara tamin’izao atrikasa izao, indrindra ireo Delegasiona avy amin’ny Tafika Frantsay eo anivon’ny « FAZSOI », noho ny fahavononan’izy ireo hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’ireo mpandray anjara.

Marihina fa efa mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ny Tafika Malagasy hatramin’izay ny Tafika Frantsay, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny maha-olona, ka tafiditra ao anatin’ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny roa tonta izao atrikasa izao.

Haharitra efatra andro ny atrikasa, ka ny alakamisy 10 septambra 2026 izao no hifarana izany.