Photo

𝟏𝟏 𝐍𝐎𝐕𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 : 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐁𝐄 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐋𝐀𝐕𝐎 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘

Nomarihina ny alarobia 11 novambra 2026 teo afovoan'ny farihin' Anosy ny fahatsiarovana ny faha 108 taonan'ny fiafaran'ny ady lehibe voalohany. Nitarika izany fotoam-pahatsiarovana izany ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely miaraka amin'ny Masoivohon'i Frantsa eto Madagasikara, Andriamatoa Jean-Marc GROSGURIN.

Ho fanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy nandritra izany ady lehibe izany sy ho fahatsiarovana ireo miaramila sy zandary lavo nandritra ny iraka teny an-kianja tamin'ny taona 2026 dia nisy ny fametrahana fehezam-bonikazo teo amin'ny tsangambaton'ireo mahery fo notontosain'ireo Manam-pahefana nialohavan'ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana notarihin'ireo Ray aman-dreny ara-panahy ao amin'ny fitaizam-panahin'ny Foloalindahy. Taorian'izay dia nisy fanolorana mari-boninahitra ho an'ireo manamboninahitra valo mirahalahy avy amin'ny Foloalindahy Malagasy.

Nampatsiahy ny herim-po sy ny faharisihina nananan'ireo Malagasy niady nandritra izany ady lehibe izany ny Minisitry ny Foloalindahy nandritra ny lahateniny, navoitrany tamin'izany ireo miaramila malagasy nandrafitra ny 12ème Bataillon de tirailleurs malgache izay nisongadina tamin'ny ady nataony tany Frantsa manoloana ny fahavalo. Notsindrin'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy ihany koa ny maha zava-dehibe ny fampitana ny tantara amin'ireo taranaka aty aoriana amin'ny alalan'ireo hetsika maro samihafa ataon'ny Ofisy Nasionaly Malagasy misahana ny Mpiady Tranainy sy Bekotro Maro Holatra amin'ny alalan'ny varavarana misokatra amin'ireo sekoly maro eto an-toerana.


Izany lahateny nataony izany dia nifameno tamin'ny lahatenin'ny Masoivohon'i Frantsay eto Madagasikara izay nampatsiahy fa ny datin'ny 11 novambra dia daty iray manan-tantara sady andro iray ahatsiarovana ny fandresena fa indrindra ny filaminana. 

Nanome voninahitra izao fotoam-pahatsiarovana izao ny Lehiben'ny Mariboninahi-pirenena, Andriamatoa RANJEVA Marcel ireo Minisitra anivon'ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena,ny Jeneraly BAMA Marima, ireo Masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, ireo tomponandraikitra isan'ambaratonga eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, sy ireo Etamazaoron’ny Tafika an-tanety, an-dranomasina sy an’habakabaka ary ireo mpiady tranainy akanga sisa nanamborana sy ny fianakavian'izy ireo.