Photo

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐈𝐊𝐎𝐋𝐘 : 𝐍𝐈𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎𝐀𝐋𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐀𝐌𝐀𝐙𝐀𝐎𝐑𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀

Nametraka ireo fanambaram-pananana teny amin'ny foiben'ny Birao Mahaleotena Miady amin'ny Kolikoly (BIANCO) Ambohibao ny alakamisy 12 novambra 2026 ireo solotenan'ny tompon'andraikitra ambony eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron'ny Tafika malagasy.

Tafiditra indrindra ao anatin'ny fanamafisana ny fitantanana madio sy ny mangarahara eo anivon'ny Foloalindahy malagasy izao hetsika izao. Mifanaraka ihany koa amin'ny fanatanterahana ny Paikadim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly (SNLCC 2025-2030), ny Politika anatiny iadiana amin'ny kolikoly eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy (PILCC), ary ho fanajana ny lalàna laharana 2016-020 tamin'ny 22 aogositra 2020 izany.

Nitarika ny delegasiona sy nitondra teny avy amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy tamin'izany ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina. Navoitrany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa hanamafy hatrany ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny BIANCO ny Minisiteran'ny Foloalindahy eo amin'ny sehatra rehetra iadiana amin'ny kolikoly, sady manantena ny fanomezan-tanany amin'ny fanavaozana ny politika anatiny iadiana amin'ny kolikoly sy ireo fiaraha-miasa rehetra mifandraika amin'izany.

-Nandray azy ireo teny an-toerana ny Tale Jeneralin'ny BIANCO, Andriamatoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor. Nambarany tamin'izany fa ny fanambaram-pananana dia fanehoana fahavononana eo anatrehan'ny vahoaka amin'ny fandraisana anjara mavitrika amin'ny ady amin'ny kolikoly. Zava-dehibe tokoa izany ho an'ny fangaraharana, ny fahitsiana ary ny fitokisan'ny vahoaka eo amin'ny sehatra misy ny tsirairay avy, satria ny fiarahana mandray andraikitra no mandresy ny kolikoly, araky ny teny filamatry ny BIANCO. Taorian'izay no nandraisany tamin'ny fomba ofisialy ireo antontan-taratasy sy nanomezany ny taratasy fanamarinana na ny « accusé de réception » ho an'Andriamatoa Sekretera Jeneraly.

Tsiahivina fa mifanaraka amin'ny andininy faha-2 amin'ny lalàna 2016-020 ity fametrahana fanambaram-pananana ity, ary havaozina isaky ny roa (02) taona izany, na rehefa misy fiovana eo amin'ny toerana iasana na eo amin'ny fananan'ny tsiraira