Nanatanteraka hetsika ara-pahasalamana miompana amin'ny fitiliana sy fanentanana amin'ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza ny Fikambanan'ny Vady miaramila (FIVAMI) ny alakamisy 5 novambra 2026 tao amin'ny Foiben'ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamana miaramila (DCSSM) Ampahibe. Izany moa dia tafiditra amin'ilay hetsika maneran-tany "octobre rose" izay natokana hanomezan-danja ny ady amin'ny homamiadana karazany rehetra. Nisitraka izao hetsika ara-pahasalamana izao ireo mpikamban'ny FIVAMI sy ireo mpiasa sivily vehivavy eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.
Miara-miasa amin'ny fanatanterahana izao hetsika izao ny FIVAMI, ny "Fondation AKBARALY" ary ny DCSSM amin'ny alalan'ireo mpitsabo miaramila. Nandritra ny fifandimbiasam-pitenenana tamin'ny fanokafana ny hetsika no nampatsiahy ny Talen'ny "DCSSM", ny Jeneraly AJIBARA Florent fa tsy misy asa tontosa am-pahombiazana raha tsy misy ny fahasalamana, ka niderany izao hetsika ataon'ny FIVAMI izao.
-Hitsinjovana ny toe-pahasalamana ary ahafahana misoroka izany homamiadana izany, izay mpahazo ny vehivavy tokoa no anton'ny hetsika. Nanotrona sy nandray anjara feno tamin'ny fikarakarana sy ny lanonana fanokafana ny Filoha nasionalin'ny Fivami, RAZAFIARILALA Eugénie sy ny vadin'Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, Ramatoa ANDRIAMASINORO Nomena ary ny Vadin'ny Mazaoro Jeneralin'ny Tafika, Ramatoa RAFIDIMANANA Eugenie