Photo

𝐔𝐒𝐀𝐅𝐑𝐈𝐂𝐎𝐌-𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 : 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐅𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐑𝐀𝐈𝐊𝐄𝐅𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟕

Nitsidika ara-pomba ofisialy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely teo Ampahibe ny talata 3 novambra 2026 ny delegasiona ambony avy amin’ny Komandin’ny fibaikoana ny Tafika Amerikana aty Afrika (AFRICOM), izay notarihin’ny Jeneraly BRENNAN John , kaomandy lefitry ny AFRICOM. Niara-dia taminy ny Ambasadaoro VROOMAN Peter , lefitra misahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sivily sy ny miaramila (DCME) ary koa Andriamatoa BEVAN Tom, Mpiandraiki-draharahan'ny Masoivoho n'i Etazonia eto Madagasikara.

Tonga nanatrika izao fihaonana izao ihany koa ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène sy ireo lehiben’ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety, an-dranomasina sy an'habakabaka, ary ny tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.

-Miroborobo hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Tafika Malagasy sy ny Tafika Amerikanina, izay efa niorina an-taonany maro. Ity fitsidihana ity dia natao hanamafisana ny fifanakalozana stratejika eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, izay miantefa indrindra amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina ao amin’ny Ranomasimbe Indiana.

-Ankoatra ny dinika, hisy ny fampiofanana iraisana hampandraisana anjara ny Tafika Telo tonta, izay hotanterahina any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara. Izao fiaraha-miasa ara-tafika izao dia hifantoka amin’ny fampiofanana miaramila sy ny fifampizaràna traikefa eo amin’i Etazonia sy Madagasikara.

Natao izao dingana izao mba hanatsarana sy hanamafisana hatrany ny fahaiza-manaon’ireo miaramila Malagasy manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena sy manerana izao tontolo izao. Amin’ny volana martsa ho avy izao no voatondro hanatanterahina ny ampahany amin’ity fampiofanana 

ity izay iarahana amin'ireo mpiara-miombon’antoka sy firenena miisa 34.

Nitsidika ny "Centre régional de fusion des informations maritimes" ihany koa ity delegasiona ity, ary noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara teny Iavoloha.