Photo

𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 : 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐋𝐈𝐎𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟒 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 "𝐁𝐀𝐓𝐀𝐈𝐋𝐋𝐎𝐍 𝐌𝐄𝐃𝐈𝐂𝐀𝐋" 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐘 𝐉𝐄𝐍𝐄𝐑𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐆𝐀𝐁𝐑𝐈𝐄𝐋 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐈𝐁𝐄

Notanterahina ny alahady 18 oktobra 2026 tao amin’ny "Bataillon Médical" Ampahibe (BMA) ny fankalazana an'i Masindahy Lioka, olomasina mpiaro ny mpitsabo sy ny mpisehatra amin’ny fahasalamana, sy ny faha-efa-taona nidiran’ny BMA tao amin’ny Toby Jeneraly RAMANANTSOA Gabriel Ampahibe.

Nentina nanamafisana ny firaisan-kina sy ny firahalahiana eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana miaramila ity hetsika ity, araka ny teny filamatra hoe: « fahasalamana miaramila manakaiky vahoaka ho fanavaozana ny Tanindrazana».

Nanome voninahitra ny lanonana ny Jeneraly ZAFITASONDRY Marcelin, Mpanolotsaina avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina sady filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CENHOSOA, ary ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène.

Nanatrika izany ihany koa ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron’ireo Tafika, ary ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana miaramila.

Hetsika maro no nanamarika ny fankalazana, anisan’izany ny "rassemblement", ny hazakazaka ho fanamafisana ny firaisan-kina ary ny fifaninanana ara-panatanjahantena teo amin’ny taranja basikety sy baolina kitra, notanterahina tao amin’ny kianjan’i Betongolo. Nofaranana tamin’ny sakafom-pirahalahiana tao amin’ny BMA izany. Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Minisitry ny Foloalindahy ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny etika sy ny fitsipi-pifehezana miaramila, ary ny fanatanterahana ny andraikitra amin’ny fikarakarana ny fahasalaman'ny Miaramila sy ny fanakaikezana ny vahoaka amin’ny alalan’ny tolotra ara-pahasalamana manaraka ny fenitra.

Nanamafy ireo hafatra ireo ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, sady nirary soa ho an'ireo Mpitsabo sy Mpitsabo mpanampy miaramila amin'ny tohin'ny asan'izy ireo, raha toa ka nanentana ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika mba hanohy ny ezaka sy hampivelatra ny fahaiza-manaony ho tombontsoan’ny Foloalindahy sy ny vahoaka Malagasy.

Nanamafy ny fahavononan’ny Sampan-draharahan’ny Fahasalamana Miaramila hanatanteraka ny vina « Foloalindahy manakaiky vahoaka », amin’ny alalan’ny fanohanana ny fahasalaman’ny miaramila sy ny vahoaka Malagasy kosa ny Tale Jeneralin’ny CENHOSOA, ny Jeneraly RATOVONDRAINY Willy tamin'ny fandraisam-pitenenany. Marihina fa maro ireo fitsaboana sy fanentanana ara-pahasalamana maimaimpoana tontosain'ny CENHOSOA, ny Fitaleavana foibe mikarakara ny fahasalamana miaramila (DCSSM) ary ny "Bataillon medical" Ampahibe manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary anisan'ireo mandray andraikitra mafonja ireo sampan-draharaha miaramila ireo rehefa misy ny hamehana ara-pahasalamana eto amin'ny firenena.