Photo

𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘-𝐅𝐀𝐙𝐒𝐎𝐈 : 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐄𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐕𝐈𝐓𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐈𝐋𝐈𝐍𝐀 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄

Miaramila malagasy enina mirahalahy avy amin'ny "1er Bataillon Parachutiste" Ivato sy ny "Bataillon RECAMP" no notoloran'ny FAZSOI mari-pahaizana taorian'ny fiofanana amin'ny familiana "Drone" ny 15 oktobra 2026 tao amin'ny Toby Lambert "La Réunion". Naharitra tapa-bolana izany fiofanana narahin'izy ireo izany izay natao tao amin'ny "2ème Régiment de Parachutistes d'Infanterie de Marine 2RPIMA", La Réunion.

Nandritra izany lanonana izany ihany koa no nanolotra "drones" ho an'ireo Manamboninahitra malagasy nitarika ireo mpiofana ny Komandy ambonin'ny Vondron-tafika Frantsay mitoby aty amin'ny faritra atsimon'ny Ranomasimbe Indiana (FAZSOI), ny Jeneraly Jean de Monicault . Marihina fa izany fitaovana izany dia manana fahafahana manokana manampy amin'ny fitsirihina mandritra ny iraka atao eny an-kianja indrindra amin'ny alina amin'ny fampiasana "Infrarouge".

 Izao lanonana izao dia taratry ny fitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta amin'ny sehatry ny fiarovana, ary manamafy ny fahaizan'ny Tafika Malagasy manao fitsirihina na eo amin'ny lafiny ara-pitaovana na amin'ny fahaiza-manao.