Nigadona tao Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara mivady, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, ireo Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana sy olo-manan-kaja maro ny 13 oktobra 2026, ka anisan'ny nitsena azy ireo ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely notronin-dRamatoa vadiny, Fabienne RAZAFITOMBO Filoham-boninahitry ny FIVAMI Nasionaly.
-Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin'ny ''FFKM'' no nanombohana ny fandaharam-potoana tao amin’ny “EKAR Saint Paul” ho fangataham-pitahiana sy ho fankalazana ny nahazoana ny fahafahana. Lohahevitra noraisina ny hoe : « Fahafahana, fanavaozana ho amin'ny tena fahaleovantena sy fandrosoana ».
-Nandritra ny lahateniny dia nasongadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny mba hanavaozana ny fitondran-tenan’ireo mpitondra. Tafiditra amin’izany fanovàna izany ny tsy tokony handraisana kolikoly intsony.
Nambarany hatrany fa ny 70% ny Malagasy dia Kristianina ka raha io no jerena dia tokony hanara-dalàna ho azy ny rehetra.
-Mahakasika ny FFKM manokana dia nambarany fa efa mandeha ny fiofanan’ireo Ray aman-dreny mpitarika ity rafitra ity amin’izao, ka rehefa vita izany dia hiainga any ifotony ny fikaonandoham-pirenena.
Tsy ho mora anefa ny fikarakarana izany satria misy sahady ny fanambarana etsy sy eroa sy ireo mitady fifampiraharahana ara-politika na “dialogue politique”. Tsy olana politika anefa ny olana teto fa olana ara-tsosialy hoy ny Filoha ka tsy hisy izany atao hoe “dialogue politique » izany.
Notohizany fa 14 oktobra 1958 no fotoana nanapahana hevitra nialana tao anatin’ny fanjanahan'ny Frantsay, ary 68 taona taty aoriana dia voatondro ho Filohan’ny Fanavaozana izy ny 14 oktobra 2025. Misy dikany izany fa tsy kisendrasendra hoy izy.
Tafiditra tao anatin'ny hetsika notontosaina ihany koa ny nametrahana ho vakoka ny sekoly nianaran’ny Filoha Philbert TSIRANANA, ary ho fanomezam-boninahitra azy no nandehanana tany an-toerana hoy hatrany ny Filoha. Taorian'izay dia nisy ny fitokanana ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) tao Anjiamangirina.
Marihina moa fa ity fankalazana voalohany ity no hatao any amin'ny faritr'i Sofia fa hitety an'i Madagasikara ny fankalazana ny 14 oktobra manaraka.