Photo

𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐉𝐈𝐏𝐓𝐀 : 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐓𝐀𝐅𝐈𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀

Nanatanteraka fitsidihana tany Ejipta ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy malagasy sy ny mpanara-dia azy ny 10 ka hatramin'ny 13 may 2025. Nandray azy ireo tamin’ny fomba manetriketrika Andriamatoa Minisitry ny Fiarovana Ejiptiana, ny Jeneraly ZAKI Mohamed teny amin'ny Minisitera sahaniny tao Le Caire. Nifototra tamin'ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy Ejipta ny dinika nisy teo amin'ny roa tonta. Naneho ny fahavononany ny Minisitra ejiptiana hanohana ny Foloalindahy Malagasy, ao anatin'ny fifanohanan'ny tany samy eo anivon'ny kontinanta afrikanina ka miara-miatrika ny ambana misy maneran-tany. Nisy ny fangatahana manokana nataon'ny Minisitry ny Foloalindahy malagasy ny amin'ny fiofanan'ny sampana fitsikilovana mba hahafahana mandray fanapaha-kevitra ara-potoana sy mba hiarovana ny harena sy hisorohana ny trafika rehetra misy. Namaly avy hatrany ny Minisitra Ejyptiana fa hampitomboina manokana ny fiofanana mahakasika izany amin'ny fiaraha-miasan'ny roa tonta. Ao anatin’izany indrindra dia nankatoavin'ny Minisitry ny fiarovana ejiptiana ny fampitomboana ny isan'ireo miaramila Malagasy hanaraka fiofanana any Ejipta ary handefa mpampiofana aty Madagasikara ihany koa izy ireo ho fanampin'izay. Taorian’izany fifampidinihina izany dia nitsidika ireo orinasa miaramila mpanamboatra fitaovam-piadiana tahaka ny basy sy bala Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy malagasy sy ny mpanara-dia azy ary nisy ihany koa ny fitsidihany ny "Arab Organisation for Industry" izay vondrona mamokatra fitaovana ho amin'ny fiarovana amin'ny alalan'ny teknolojia avo lenta. Taorian’izay dia nijery sy nitsidika ny orinasa miaramila "TEMSAH", mpamokatra fiara mifono vy izy ireo ary namarana ny fitsidihana ny ivotoerana mpamokatra sy mpivarotra fanamiana miaramila. Tanjona tamin’izao fitsidihana izao moa ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny firenena roa tonta mba ampitomboana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy ka hahafahany miatrika ireo andraikitra sy iraka sahaniny ho an’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.