Araka ny voafaritry ny Lalampanorenana dia niatrika fanontaniana avy amin’ireo solombavambahoaka amin’ny alalan’ny fanontaniana am-bava ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta teny Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 izay notarihin'ny Praiminisitra NTSAY Christian. Anisan'ny namaly ireo fanontaniana sy nitondra fanazavana ary famelabelarana mahakasika ny Departemanta sahaniny ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin.
Nankasitraka ireo olomboafidy tamin’ny fanehoan-kevitra sy fanohanana izy, ary nanamafy fa ny fiaraha-mientan’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ny solombavambahoaka ary ny vahoaka no antoky ny fandriam-pahalemana maharitra sy fototra iorenan’ny fampandrosoana. Ary niantso ny hitohizan'ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo olomboafidy ny Minisitry ny Foloalindahy, ho fanatanterahana ny politika ankapoben'ny Fanjakana fa indrindra ny vina napetrak'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika ny amin'ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra sy ny hisian'ny fampandrosoana.
Mikasika ireo fotodrafitrasa dia nambaran'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy fa an-dala-pametrahana izany ireo teknisiana voakasika. Mifanindran-dalana amin'ny fotodrafitrasa koa ny fanavaozana ireo fitaovana ho an’ny Tafika, izay tafiditra ao anatin’ny fanitsiana rafitra eo anivon'ny Tafika.
Mahakasika ny “rengagement”, dia ny Etamazaoro miandraikitra azy ary efa napetraka ny lamina sy rafitra hentitra hiadiana amin’ny kolikoly.