Tontosa ny 14 jona 2025 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina ny fety ben'ny haiady nokarakarain'ny avy eo anivon'ny Hery Fiarovana sy Filaminana.
Tanjona ny hanehoana ny fahaizaman'ireo mpisehatra eo anivon'ny Hery Fiarovana sy Filaminana satria tafiditra tanteraka ao anatin'ny kolontsaina miaramila ny fifehezana ny haiady hoy ny Filohan'ny komity mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena no sady Talen'ny Ofisy miaramila misahana fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), ny Jeneraly RAKOTONDRABARY Eric nandritra ny lahateny fanokafana. Ilaina tokoa amin'ny asa fampandriana fahalemana ataon'ny mpitandro filaminana ny haiady ka mila mahafehy izany ny tsirairay hoy hatrany izy.
Nandray anjara tamin'izao hetsika izao ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe (ACMIL), ireo atleta ao amin'ny klioba COSFA, ny Sekolin'ny Manamboninahitra lefitra Antsirabe (ENSOA), ny Polisim-pirenena, ny Sekolin'ny Zandarimaria Ambositra (EGNA) ary ireo klioba sivily. Taranja maro no hita nandritra ny hetsika toy ny Judo, Kick Boxing, Karate, Taekwondo, Aïkido, Capoeira, tolona ary ny ady totohondry. Nibahana tamin'ity seho ity arak'izany ny fampiharana sy ny fampiasana ny haiady rehefa miantsehatra eny an-kianja ny mpitandro filaminana. Nandravaka sy nanafana ny hetsika ihany koa ny seho dihy nataon'ireo tanora mpandihy ny "Danse Urbaine."
Nanome voninahitra an'izao hetsika izao ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police, RAKOTOARIMANANA Herilala ary ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara Andriamitovy. Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo tomponandraikitra isan'ambaratonga eo anivon'ny Hery Fiarovana sy Filaminana.