Photo

𝐌𝐏𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐆𝐎𝐕𝐄𝐑𝐍𝐄𝐌𝐀𝐍𝐓𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐋𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐈𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐋𝐎𝐇𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀

Tontosa teny amin’ny Lapa Maitso Anosikely ny Alatsinainy 16 Jona 2025 ny fihaonan’ny Governemanta sy ireo Loholona. Efa nisy ireo fanontaniana an-tsoratra nalefan'ireo Loholona tamin'ireo Minisitra voakasika ary ny fihaonana izay natao dia mamaly ireo fanontaniana sisa tsy voavaly an-tsoratra. Ho an'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin dia ireto ny teboka voaresaka : - PSR Bongolava : taorian'ny fanitsian-drafitra dia efa nesorina ny fepetra mavesatra amin’ny vahoaka toy ny vola sy vary amin’ny "Patrouille de sécurisation rurale" na PSR ao amin'ny Faritra Bongolava. Raha misy hetahetan’ny eny ifotony dia tokony atolotra ampahibemaso izany. - Fampitaovana : efa maro ny fitaovana raitra avy amin’ny Filohan'ny Repoblika nositrahan'ny Tafika malagasy : fiara, angidimby, ary ho avy tsy ho ela ihany koa ny fiaramanidina LET 410 telo. Ahafahana manatanteraka tsara ny asa ireo fampitaovana ireo miampy ny fahaizamanao ara-miaramila - Fandriampahalemana: Nihena 85% ny tsy fandriampahalemana tao Fianarantsoa – tohizana sy hamafisina hatrany ny ezaka fampandriana fahalemana manerana ny Lafivalon'ny Nosy ary ny foloalindahy malagasy dia vonona hatrany hamita ny andraikiny dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. - Fotodrafitrasa: Maro ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka efa vita toy ireo BOA (Base opérationnelle avancée) sy DSS (Détachement Spécial de securité) manerana ny Nosy ary efa eo am-pandaminana ny fitokanana azy ireo - Ady amin’ny kolikoly: Nanamafy ny Minisitry ny Foloalindahy fa tsy misy vola aloa amin’ny “rengagement”. Ny mikasika ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Akademia miaramila (ACMIL) kosa dia ny fahaizan’ny mpiadina no maha-afaka azy fa tsy zavatra hafa. “Ny sekoly tsy potehina. Mila olomanga ny Firenena.” io no hafatry ny Minisitry ny Foloalindahy. - Fiara-miasan'ny Hery Fiarovana Sy filaminana : efa mipetraka ny fiarahamiasa matotra fa mbola hamafisina hatrany ny firaisankina eo amin’ny Tafika, Zandary ary Polisy. Miantso fiaraha-mientana amin’ny olom-boafidy sy olom-boatendry ary ny vahoaka ny hery Fiarovana sy filaminana ho amin’ny fanamafisana ny fampandriana fahalemana.