Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy 16 jona 2025 tao amin'ny Cercle Mess Betongolo ny atrik’asa mikasika ireo areti-mifindra sy ny fahasalamam-bahoaka na ny « Infectious disease and public health » izay tanterahin'ny miaramila mpitsabo malagasy🇲🇬 sy miaramila mpitsabo amerikanina🇺🇸 mivondrona ao anatin'ny " African Partnership Outbreak Response Alliance (APORA)". Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Talen'ny Foiben'ny Sampandraharahan'ny fitsaboana miaramila na " Direction Centrale de Service de Santé Militaire (DCSSM)", ny Jeneraly AJIBARA Florent niaraka tamin'i Kolonely Linda JONES, tompon’andraikitry ny resaka fahasalamana eo anivon’ny "United States Africa Command (AFRICOM)" ary Ramatoa Elisabeth RIVAS solontena avy eo anivon'ny Masoivoho Amerikanina.
Tanjona amin’izao atrik’asa izao ny hifampizara traik’efa sy fahaizamanao eo amin’ny mpitsabo miaramila malagasy sy amerikanina mba hanatsarana ny fomba fiasa eo amin'ny fandraisana an-tanana sy ny fiatrehana ary ny fitsaboana ireo areti-mifindra. Miaramila sy sivily misehatra eo amin' ny Fahasalamana miisa 25 miasa eto Antananarivo sy any amin'ny Faritra no mandray anjara amin’ity atrik’asa ity. Manampahaizana manokana amin’ny épidémiologie, santé mentale, santé publique, vétérinaire, hygiène, infectiologie, médecine interne, biologie, Mpitsabo Mpanampy, assistante sociale izy ireo.
Anisan'ny tanjona ihany koa ny hanangana ekipa manokana tompon’andraikitra amin’ny ady amin’ny valan'aretina eto anivon’ny Tafika sy ny mba hampihena ny fisian’ny valan'aretina aty Afrika. Eo ihany koa ny famoahana ny boky mandrafitra ny fiaraha-miasa (MoU) sy ny fenitra tokony arahina amin'ny fanatanterahana ny asa na ny " Procédures Opérationnelles Standard (SOP)" izay ahitana ireo fifanaraham-piara miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo fikambanana iraisam-pirenena mba ampirindra tsara ny asa.
Marihana fa tamin'ny taona 2014 nandritra ny fandalovan’ny valan’aretina « EBOLA » tao andrefan’i Afrika no nijoroan'ny APORA ary firenena 12 no mpikambana tamin'izany. Efa mahatratra 38 ireo firenena mpikambana ankehitriny ka anisan'izany i Madagasikara. Hifarana ny 20 jona ho avy izao ity atrik’asa ity.