Tontosa ny 21 jona 2025 tao amin'ny Kianja "Gradin 3" Soamanandrariny ny fotoam-pivavahana advantista hitondrana am-bavaka ny firenena amin'izao ankatoky ny fankalazana ny faha 65 niverenan'ny Fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy. Niombom-bavaka tamin'izao fotoam-pivavahana izao ny Minisitry ny foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Sekretra maharitra ny Fiarovana sy Filaminana eo anivon'ny fiadidina ny repoblika, ny Amiraly RANDRIANARISOA Marosoa. Nanotrona izany ihany koa ireo tompon'andraikitra ambony avy eo anivon'ny Hery Fiarovana sy Filaminana, avy amin'ireo Minisitera hafa ary ireo olom-boafidy. Nisaotra an'Andriamatoa Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy ny mpitarika ny fotoana tamin'ny nanomezana alalana ka nahatontosana ny hetsika ara-pahasalamana nokarakarain'ireto farany tao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina.
Nisaotra ny Komitim- pirenena Mpanomana ny Fankalazana ny 26 Jona izay tarihin'i Jeneraly RAKOTONDRABARY Eric ihany koa ny tenany tamin'ny fanohanana sy ny fiaraha miasa ka nahatontosana an'izao fotoam-pivavahana izao. Nanolotra fanomezana ho an'ireo manampahefana arak'izany izy ireo ho mariky ny fankasitrahana sy fisaorana azy ireo.
Niara niombom-bavaka tamin'izany ihany koa ireo mpino maro avy amin'ny Fiangonana Advantista.