Notanterahina ny alakamisy 19 jona 2025 teny amin'ny lapan'ny Kolotsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny lalao famaranana « basket-ball » izay lalao ara-piralahina teo amin'ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta sy ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena sy ny famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika ara-panatanjahatena rehetra ary ny fanolorana amboara ho an'ireo nivoka ho mpandresy nandritra izany.
Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ary ny Sekretara Jeneralin’ny Minisitera delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly RASENDRALAHY Hajaniaina ary ny Filohan'ny komity mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena no sady Talen'ny Ofisy miaramila misahana fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), ny Jeneraly RAKOTONDRABARY Eric. Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo tomponandraikitra isan'ambaratonga eo anivon'ny Hery Fiarovana sy Filaminana.
Natao izao ho fanehoana ny firahalahiana misy eo amin’ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta sy ny Hery Fiaroavana sy Filamanana ary ny samy mpitandro filaminana izay tena nahafinaritra tokoa ny nahita izany teny ambony kianja.
Nandritra ny fandraisam-pitenena izay nataon'Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy no nitondrany ny teny fisaorana manokana ho an'ireo mpiaramiombon'antoka rehetra izay anisan’ny nanohana ny fikarakarana izao hetsika izao sy ny Komitim-Pirenena manomana ny fankalazana ny 26 jona. Tsy adinony ihany koa ny nisaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’izany satria dia tsapa tokoa hoy izy ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana eo amin’ny mpitandro filaminana tsy amin’ny asa fampandriana fahalemana ihany fa amin’ny fanatanterahana izao lalao izao ihany koa.
Nentina nanamarika izao fankalazana izao ihany koa ny fanolorana ireo amboara ho an'ireo mpilalao mendrika nandritra ireo lalao ara-panatanjahatena rehetra notanterahina, anisan'izany ny "amboaran'ny Filoham-pirenena" izay entina nanamarihana ny fankalazana ny faha 65 taona niverenan'ny fahaleovantena sy ny nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy.