Notanterahina ny alahady 22 jona 2025 teny amin'ny Katedraly EKAR Andohalo ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny Fiombonan'ireo Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ho fanamarihana ny faha 65 taona niverenan'ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan'ny Foloalindahy.
Nitarika ny fanompoam-pivavahana ny Dokotera IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina avy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), namaky ny soratra masina, ny Réverend Père RANDRIAMIARANTSOA Germain Thierry avy amin'ny Eglizy Katolika Romana (EKAR), nitory teny ny Pastora Dokotera RAKOTOZAFY Denis avy amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), ary nanao ny Ranombavaka, ny Réverend RANDRIAMBOLOLONA Mamy Christian avy amin'ny Eklsesia Episkopaly Malagasy (EEM).
Tonga nanatrika izany fotoam-bavaka izany ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy sy Ramatoa vadiny, niaraka tamin'ireo Mpikambana eo anivon'ny Governemanta nahitana ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy Ramatoa vadiny, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Minisitry ny Fitsarana ary Ramatoa Aurélie RAZAFINJATO, Minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina. Nanotrona azy ireo koa ireo tompon’andraikitra avy amin'ireo andrim-panjakana, ireo mpikambana eo anivon'ny Komitim-Pirenena Mpanomana ny Fankalazana ny 26 jona ary ireo tompon’andraikitra sivily sy Miaramila.
Teny fanevan'ny fanompoam-pivavahana ary nisintomana ny hafatra sy toriteny amin'izao fankalazana ny 65 taonan'ny niverenan'ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan'ny Foloalindahy izao ny hoe : « AOKA ISIKA SAMY HIFAMPIHEVITRA KA HIFAMPIRISIKA HAMPANDROSO NY FITIAVANA SY NY ASA TSARA » Hebreo 10:24
Fankalazana miorina tsara amin'izay nolazain'ny soratra Masina izao fanamarihana ny faha 65 taona niverenan'ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan'ny Foloalindahy izao, hoy ny Pastora Dokotera RAKOTOZAFY Denis nandritra ny toriteniny. Ka hafatra nampitainy ny hoe : " ny fahafahana dia mitondra antsika amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana ary ny rariny amin'ny fanatanterahana ny asa tsara nankinin'Andriamanitra amintsika. Mahatonga antsika hanadino ireo ratra sy ny lasa rehetra ka hitodika amin'ny ho avy izay mifamatotra amin'ny 65 taona manaraka indray"
Nisy ny vavaka nasandratra ho an'ny firenena, ho an'ny mpitondra, ho an’ny vahoaka Malagasy, ho an'ny Fiombonan'ireo Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) izay mankalaza ny 45 taonany ary indrindra ho an'ireo mpiray Tanindrazana izay namoy ny ainy sy ny fianakavian'izy ireo mba hanana fiononana feno,.
Nivavahana manokana koa ireo ankizy Malagasy izay ho avin’ny firenena ao anatin'izao iray volan'ny ankizy izao, satria manan-danja eo amin'ny fiainam-pirenena tokoa ny vavaka.
Taorian’ny fotoam-pivavahana dia nanatrika avy hatrany ny antsam-piderana teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny Minisitry ny Foloalindahy mivady sy ireo nanatrika rehetra tao.